samedi 3 octobre 2009

Volana ôktôbra: volan'ny Rôzery

Ny Rozery dia vavaky ny kristianina izay mifototra sy azo lazaina ho mahafehy ny tantaram-piainan'i Kristy. Vavaka iarahana amin'i Masina Maria. Amin'ny alalan'ity vavaka ity ny kristianina dia miaraka aminy mibanjina ny fitiavan' Andriamanitra ary manovo fahasoavana lehibe.

mardi 29 septembre 2009

Salamo 62

Andriamanitra ô, Andriamanitro ianao,
Mitady anao aho hatramin'ny vao maraina,
Mangetaheta anao ny fanahiko,
manina anao ny foko,
Tsara lavitra noho ny aina ny fahasoavanao,
Ianao no vonjiko,
Ary eo ambany aloky ny elatrao no iravoravoako.